1 Ary ny Zanak'Isiraely nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah indray, rehefa maty Ehoda.

2 Ary Jehovah nivarotra azy ho eo an-tnan'i Jabina, mpanjakan'i Kanana, izay nanjaka tany Hazora, ary Sisera, izay nonina tany Harosetan'ny Jentilisa, no komandin'ny miaramilany.

3 Dia nitaraina tamin'i Jehovah ny Zanak'Isiraely; fa nanana kalesy vy sivin-jato Jabina, ary nampahory fatratra ny Zanak'Isiraely roa-polo taona izy.

4 Ary Debora mpaminanivavy, vadin'i Lapidota, no nitsara ny Isiraely tamin'izany andro izany.

5 Ary izy nipetraka teo ambanin'ny hazo rofian'i Debora, teo anelanelan'i Rama sy Betela, tany amin'ny tany havoan'i Efraima; ary niakatra ho any aminy ny Zanak'Isiraely hatsaraina.

6 Ary Debora naniraka ka niantso an'i Baraka, zanak'i Abinoama, tany Kadesi-naftaly, ka nanao taminy hoe : Moa tsy efa nandidy va Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, nanao hoe : Mandehana, ka mankanesa any an-tendrombohitra Tabara, ary mitondr iray alin-dahy amin'ny taranak'i Naftaly sy Zebolona hiaraka aminao ?

7 Dia ho entiko ho eo aminao, eo amoron'ny ony Kisona, Sisera, komandin'ny miaramilan'i Jabina, mbamin'ny kalesiny sy ny vahoakany maro be; dia hanolotra azy ho eo an-tnanao Aho.

8 Ary hoy Baraka taminy : raha handeha hiaraka amiko hianao, dia handeha aho; fa raha tsy handeha hiaraka amiko kosa hianao, dia tsy handeha aho.

9 Ary hoy kosa izy : Handeha hiaraka aminao ihany aho; kanefa tsy ho voninahitrao izao halehanao izao, satria ho eo an-tnam-behivavy no hivarotan'i Jehovah an'i Sisera. Dia niainga Debora ka nandeha niaraka tamin'i Baraka hankany Kadesy.

10 Ary nantsoin'i Baraka ho any Kadesy ny Zebolona sy ny Naftaly; dia nisy iray alin-dahy niakatra nanaraka azy; ary Debora niara-niakatra taminy.

11 Ary Hebera Kenita efa nisaraka tamin'ny Kenita izay avy amin'ny taranak'i Hobaba, zaodahin'i Mosesy, ary nilasy ambara-pahatongany teo amin'ny hazo terebinta ao Zananima, izy eo anilan'i Kadesy.

12 Ary nisy nilaza tamin'i Sisera fa Baraka, zanak'i Abinoama, niakatra any an-tendrombohitra Tabara.

13 Dia nangonin'i Sisera ny kalesiny rehetra, dia kalesy vy sivin-jato, sy ny vahoaka rehetra izay niaraka taminy avy tany Harosetan'ny Jentilisa, hankany amin'ny ony Kisona.

14 Ary hoy Debora tamin'i Baraka : Miakara, fa anio no andro hanoloran'i Jehovah an'i Sisera eo an-tnanao; tsy mivoaka eo anoloanao va Jehovah ? Dia nidina Baraka sy ny olona iray alina nanaraka azy, avy tany an-tendrombohitra Tabara.

15 Dia nampifanaritahin'i Jehovah tamin'ny lelan-tsabatra Sisera teo anoloan'i Baraka sy ny Kalesy rehetra ary ny miaramila rehetra; dia nidina niala tamin'ny kalesy Sisera ka nandositra nandeha tongotra.

16 Ary Baraka nanenjika nanaraka ny kalesy sy ny miaramila hatrany Haroseta; dia lavon'ny lelan-tsabatra avokoa ny miaramilan'i Sisera rehetra; tsy nisy niangana na dia iray akory aza.

17 Ary Sisera nandositra nandeha tongotra ho any amin'ny lain'i Jaela, vadin'i Hebera Kenita; fa nihavana Jabina, mpanjakan'i Hazora, sy ny mpianakavin'i Hebera Kenita.

18 Dia nivoaka Jaela hitsena an'i Sisera ka nanao taminy hoe : Miakara, tompokolahy, miakara aty amiko; aza matahotra. Ary rehefa niakatra ho ao an-dainy izy, dia norakofany ny lamba firakotra.

19 Ary hoy Sisera taminy : Masna hianao, omeo rano kely hosotroiko, fa mangetaheta aho izany. Dia nanokatra ny siny hoditra nisy ronono izy ka nomeny hosotroiny; ary dia norakofany indray izy.

20 Dia hoy izy taminy : Mitsangna eo ambaravaran'ny lay, ka raha tahny misy avy ka manontany anao hoe : Misy olona va ato ? dia ataovy hoe : Tsia.

21 Dia naka tsima-day Jaela, vadin'i Hebera, sady nitondra tantanana teny an-tnany ka nitsaitsaika nankeo aminy; dia natsatony tamin'ny fihirifany ny tsima-day, ka nihatra tamin'ny tany - fa efa renoky ny torimaso Sisera, satria sasatra - ka dia maty izy.

22 Ary nony, indro, avy Baraka manenjika an'i Sisera, dia nivoaka hitsena azy Jaela ka nanao taminy hoe : Avia aty, fa hasehoko anao ny lehilahy izay tadiavinao. Ary rehefa tonga tao aminy izy, dia indro, ny fatin'i Sisera niampatra teo, ary ny tsima-day teo amin'ny fihirifany.

23 Dia naetrin'Andriamanitra teo anoloan'ny Zanak'Isiraely tamin'izany andro izany Jabina, mpanjakan'i Kanana.

24 Ary ny tnan'ny Zanak'Isiraely nihahery tamin'i Jabina, mpanjakan'i Kanana, mandra-pandringany azy.
